Fandriampahalemana

Anosibe-Fanendahana tao anaty taksibe Nambanan’izy roalahy antsy ny mpandeha


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Nisy omaly ny fampitam-baovao naneho fampitandremana eo anatrehan’ny fanendahana any anaty taksibe. “Mitandrema eo amin’ny fiantsonana Anosibe tsena...

Mitondra antsy miditra ny bus ny mpanendaka, ary manendaka anaty bus miaraka amin’ny antsy. Tena tsy nino aho raha tsy tao anatin'ilay bus. Soa ihany fa tany aloha aho no nipetraka, fa ny tao aoriana rehetra dia nisedra ny fanendahana”, hoy ny lehilahy iray nampita tamin’ny tambajotran-tserasera. Andro vao tamin’ny 7 ora sy sasany hariva anefa io, ka raha ny fanazavany hatrany, dia nijanona ny bus fa misy miala, hany ka niditra toy ny mpandeha rehetra ireo roalahy kay efa misy antsy maranitra any amin'izy ireo,... “Tsy misy azonay miasa amin'ny haino aman-jery hatao Tompoko amin'ny toe-javatra toy ireny afatsy ny mitatitra ny zava-misy ihany. Aza manome tsiny anay hoe maninona no tsy nalaiko sary fa nilaozako nikipy. Maro ny tranga toy izany, efa matetika miseho fa tsy haiko hoe maninona no tsy misy miteny? Satria avy eo dia samy mitantara ny iray bus hoe tsy vao izao io. Ny mpandeha tongotra eo moa dia tena lasibatra foana fa dia tsy mitaraina fa mieritreritra izy fa ohatran'izany mihitsy ny fiainana ka lasa toy ny andavan'androm-piainana sisa. Ny bus ihany koa tsy miteny satria matahotra amin'ny ainy satria eo foana no lalana iasany isan'andro”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’io ranamana io nanaitra ny rehetra tokony handray andraikitra eo anatrehan’ny toe-javatra tahaka itony, izay tsy vao sambany fa mateti-pitranga, saingy toa tsy misy na maivana ny fandraisana andraikitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT