Fandriampahalemana

Anosibe Angarangarana Tratra nivarotra heroine ilay Maorisiana


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Lehilahy, teratany Maorisianina iray 50 taona no saron’ny misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teny Anosibe Angarangarana afak’omaly 17 Mey tokony ho tamin'ny 06 maraina rehefa nivarotra héroïne.

Tratra tao an-tranony mihitsy ity tera-tany vahiny rehefa nokarohina sy nanaovan’ny Polisy ao amin'ny STUP fidinana ifotony. Teo am-pivarotana mihitsy izy no tratra. Nahitana kitapo iray nisy heroine milanja 250 grama izay efa voazarazara anaty fonosana kely miisa 250 tao aminy. Hita tao niaraka tamin'izany koa ny "mixeur" iray izay fitaovana fangaroana héroïne. Araka ny fanadihadihana natao taminy dia fantatra fa Afrikana iray no mamatsy héroïne azy ary izy indray no mivarotra azy avy eo. 60.000 Ar no hividianany ny 01 grama raha ny filazany hatrany. Efa nigadra 10 taona teny Tsiafahy izy ny taona 2011 ka hatramin'ny 2017 noho ity resaka fivarotana heroine ity ihany.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT