Fandriampahalemana

Anosibe Andrefana Zazalahy 16 taona karamaina 2 000 Ar mba hividy "héroïne"


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Mahazo vahana tanteraka ny fivarotana sy ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroine eto amintsika.

Zazalahy kely iray vao 16 taona monja no fantatra fa karamaina 2.000 Ar isaky ny mandeha mba hividy rongony mahery vaika (héroïne) ao anatin’ny Fokontany Anosibe Andrefana. Rehefa tamana mahazo vola amin’io fividianana heroine io io tovolahy kely io dia nitarika ireo namany ihany koa ka tafakatra enin-dahy izy ireo. Miara-mifoka izy ireo no sady mitsindrona ihany koa hoy ny vaovao nefa irakiraka mandeha miantsena maka héroïne eo Anosibe no tena asan’ny iray. Manempotra mihitsy ny fofon-drongony havoakan’izy enin-dahy noho izany ka velon-taraina ny manodidina. Tsy misy sahy miteny azy ireo rahateo ny rehetra noho ny vava mahery havoakany sy ny tahotra ny amin’ny mety hovonoiny. Mahavita manolana sy manapitra aina mihitsy mantsy ireo olona mandray zava-mahadomelina. Efa nosamborin'ny polisin'ny STUP moa izy ireo ary efa naiditra am-ponja eny Antanimora tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT