Fandriampahalemana

Anosiarivo Manjakandriana Ny olona nifety, izy efa-dahy namaky fasana


  • Talata 27 Jona 2023

Lehilahy miisa 04 no tratran'ny fokonolona teo am-pamakiana fasana iray tao Anosiarivo Manjakandriana omaly alatsinainy 26 jona ,

fotoana nanamarihana ny tsingerin-taona faha-63 niverenan’ny fahaleovantena. Vantany vao nahita ity tranga famakiana fasana sy fangalarana taolam-paty ity ireo mponina dia nampandre ny polisim-pirenena. Na izany aza saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany izy efa-dahy ireto noho izy ireo nanararaotra ny vahoaka variana nanao fety. Nosamborina avy hatrany izy ireo noho izany ary noentina namonjy toeram-pitsaboana noho ny ratra izay nahazo azy . Araka voalazan'ireo nahita ny zava-nitranga dia lehilahy miisa 05 no nanao izao asa ratsy izao fa ny iray kosa tafaporitsaka. Mitohy moa ny fanadihadiana mikasika izay tena ati-doha niketrika izao vaky fasana tamin’ny andro fety tany Manjakandriana izao.
Pati
Legende : Efa naradratra tahaka izao izy efa-dahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT