ANOSIALA ANDAKANA

Mihoatra ny 10 ireo jiro amin’ny lalambe nisy nangalatra


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Mihoatra ny 10 hatreto ireo jiro manazava ny lalambe nisy nangalatra

eny amin’iny faritra Anosiala Andakana iny. Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny tsy fandriampahalemana noho izany, antony nanosika ireo mpitandro ny filaminana sy fokonolona eny an-toerana hifanome tanana hamongotra ireo mpanao ratsy. Lehilahy iray no tratra nanongotra ireo jiro manazava ny lalambe teny amin’ny fokontany Anosiala Andakana omaly Talata ka nahazoana antso tamin’ny mpiara-monina tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Efa nafeniny tany anaty ala kininina ireo fitaovana ireo no tratra izy . Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 9 no nangalariny ary efa tafaverina soa amantsara amin’ny fokontany izany. Mbola misy moa ireo namany tsy tratra fa tsy maintsy ho raisim-potsiny tsy ho ela, raha araka ny fanamby napetraky ny fokonolona sy ireo mpitandro ny filaminana.
Pati
Legende : Io afovoany io ilay mpangalatra jiro manazava ny lalambe eny amin’iny faritra Andakana iny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT