Fandriampahalemana

Ankorondrano Tratry ny vela-pandrika ilay mpivarotra rongony


  • Zoma 19 Jona 2020

Ramatoa iray 40 taona, no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina eny Anosy tao an-tokantranony afak’omaly 17 jona teny Antsalovana Antohomadinika.

 

 

 

Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona mpivarotra rongony eny Ankorondrano. Tsy niandry ela ny teo anivon'ny polisim-pirenena fa nandray ny andraikitra avy hatrany ka rehefa natao ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso dia tratra teo am-pivarotana rongony ity Ramatoa ity ary mbola nisy fonosana rongony miisa 11 tratra teny aminy. Taorian'ny fanadihadiana natao azy dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo, ary hamidiny amin’ny vidiny 1.000Ar ny fonosana iray. Marihina fa efa nanomboka tamin'ny taona 2000 no efa nanaovany io asa fivarotana rongony io. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay Ramatoa.

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT