Fandriampahalemana

Ankorondrano sy Andohatapenaka Mpivaro-drongony roa indray no tratra


  • Talata 18 Aprily 2023

Ramatoa iray malaza ho mpivaro-drongony eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo no saron’ny polisy tao amin'ny trano fonenany tao Ankorondrano Atsinanana IVO ny faran’ny herinandro teo.

Tokony ho tamin'ny 05 ora maraina ireo Polisy no tonga teny an-toerana nanatanteraka izany fisavana izany. Rongony 61 fonosana noho izany no tratra tao amin'ity vehivavy ity. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa mahalafo rongony 20 fonosana eo ho eo ao anatin’ny 01 andro. Ankoatra ity vehivavy ity dia lehilahy iray ihany koa no tratra teny Andohatapenaka Andranoambo ny sabotsy ihany. Efa malaza amin'izao asa fivarotana rongony izao ihany koa izy. Nahatrarana rongony miisa 34 fonosana milanja 2,6 kilao tao aminy. Nilaza ity farany fa eny Anosivavaka izy no maka ireo rongony amidiny. Manomboka amin'ny 500 ariary ka hatramin'ny 2000 ariary no hamarotany ny fonosana iray amin'izany. Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 izy no nanao ity asa ratsy ity, efa tratran'ny Polisy ary efa nigadra . Natolotra ny fitsarana omaly alatsinainy izy ireo ary samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Legende : Ireto ireo anisan’ny ati-doha mpanaparitaka zava-mahadomelina eto an-drenivohitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT