Fandriampahalemana

Ankorondrano Roa vavy, tratra nandeka ramatoa avy naka vola


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Tovovavy roa vao erotrerony tokoa satria samy mbola latsaky ny 30 taona avokoa no tratra nanendaka Ramatoa iray avy naka vola tamin’ny GAB tetsy Ankorondrano omaly Alarobia 22 Febroary.

Mbola teo am-panarahana ity Ramatoa ity izy mirahavavy ireto no efa tsikaritry ny polisy nanao fanamiana sivily ka narahin’ireto farany moramora. Tratra ambodiomby teo am-pakana ilay vola tao anaty poketran'ilay ramatoa moa izy roa vavy ka niala maina toy ny takotra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia samy tsy an’asa hono izy ireo nefa mamelon-janaka ka tsy maintsy mitady vola. Ny vola haingana tahaka izao anefa no manavanana azy fa tsy mba manan-tsaina ny hikiry sy hiady ka izao tsy maintsy haka aina eny Antanimora izao ihany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT