Fandriampahalemana

Ankorondrano Olona 5 tratra nivarotra roro, 50 taona no zokiny indrindra


  • Zoma 16 Jona 2023

Olona miisa 5 mpivarotra roro 19 ka hatramin’ny 50 taona no nosamborin’ny polisy teny Ankorondrano ny 14 jona teo ka lehilahy ny iray raha vehivavy avokoa ny ambiny.

Misy amin’izy ireo no mpiray tsikombakomba raha misy ihany koa tena tompon’antoka. Natao ny vela-pandrika ka tra-tehaka tao amin'ilay trano ireo 05 voalaza etsy ambony ireo. Ny lehilahy iray mpividy , ny ramatoa iray kosa irakiraka, ny vehivavy roa mpivarotra heroine ary ny ambiny iray dia mpampiantrano ireo mpidoroka rôrô. Nahitana fonosana rôrô dimy(0,11grama) sy rôrô 0,11 mbola tsy vita fono niaraka tamin'ny fitaovana fampiasa amin'izany moa tao amin’ny trano nahitana azy ireo nandritra ny fisamborana. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT