Fandriampahalemana

Ankorahotra Antsy sy basy kilalao no handrahonan’ireo jiolahy mpandalo


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Lehilahy iray no saika lasibatry ny mpanendaka teny Ankorahotra omaly tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany maraina.Nodidinina lehilahy miisa telo ny tenany raha ny vaovao azo.

Nambanan'izy ireo tamin'ny antsy sy basy kilalao izy ary norahanonany mba hamoaka ny vola sy ny zavatra rehetra teny aminy. Niezaka ny nanohitra ilay niharam-boina ka nodarohin'ireto jiolahy izy. Niezaka ny niantso vonjy ihany koa ka nanampy ity niharam-boina ireo manodidina. Nandritra izany no nahasamboran'izy ireo ny iray tamin'ireo mpanao ratsy. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy ity ary efa naratra ny faritry ny lohany raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa. Tonga teny an-toerana ireo Polisy miasa ao amin'ny boriborintany faharoa naka ity tovolahy ity. Noentina teny amin'ny toeram-pitsaboana ilay jiolahy naratra nanaraka fitsaboana talohan'ny nitodrana azy teny amin'ny biraon'ny polisy.
Legende: Ity ilay jiolahy voasambotra saika efa matin’ny fitsaram-bahoaka
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT