ANKIZY MANANA TOE-TENA VARIRA

Miisa 11 ireo namoy ny ainy tamin’ny taona 2024


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Nahatratra 24 isa ny trangana fakana an-keriny nahazo ireo ankizy manana toe-tena varira

tamin’ny taona 2024 lasa teo raha araka ny fanadihadiana natao. Ny 11 tamin’ireo ankizy lasibatra tamin’izany no namoy ny ainy raha iray kosa no mbola tsy hita popoka hatreto. Raha araka ny fantatra dia ilay zaza varira nisy naka an-keriny tany Betroka ity mbola tsy hita hatramin’izao ity. Tafiditra ao anatin’ny asa hosahanin’ny Fikambanana Albinos Madagascar araka izany manomboka amin’ity taona vaovao 2025 ity ny hametraka ilay paikady maty paika hahafahana miaro ny ain’ireo ankizy manana toe-tena varira. Hisy ny fidinana ifotony hotanterahin’izy ireo hanentanana ireny karazan’olona ireny sy ny fianakaviany. Toraka izany koa ny fanabeazana azy ireny mba hahafahany miaro ny tenany. Hatreto mantsy raha araka ny fanazavan-dRamiandrisoa Soja Fulgence, Filohan’ny fikambanana dia maty momoka avokoa ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fitoriana na fampiakarana ny raharaha momba ny halatra zaza varira teny anivon’ireo ambaratongam-pahefana maro samihafa. Nomarihiny ihany koa fa ny Faritra Androy sy Anosy hatreto no mbola ahitana tranga betsaka momba ny fakana an-keriny zaza varira eto amintsika.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby lava ireo ankizy manana toe-tena varira eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT