Fandriampahalemana

Ankirihiry Toamasina Tratra ilay lehilahy mpanolana


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Lehilahy iray, 40 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao Toamasina ny zoma 22 mey 2020 teo rehefa avy nanolana zazavavikely vao valo taona monja tao an-tranony.

 

 

 

 Tao amin’ny fokontany Ankirihiry no nisehoan’ity trangana fanolanana ity. Mbola teo am-panolanana ilay zaza ity lehilahy ity no tra-tehaky ny vadiny. Ity farany izay niantso vonjy avy hatrany raha vao nahita ny habibiana nataom-badiny. Nikoropaka ny iray tanana raha nahare izany antso vonjy izany ka dia nisambotra ilay lehilahy avy hatrany. Marihina moa fa zanaky ny mpiray vodirindrina aminy ihany izao naolany izao. Nametraka fitoriana avy hatrany ny Ray aman-drenin’ilay zaza ka tonga teny an-toerana ny polisy ary nentina natao fanadihadiana ilay lehilahy nahavanon-doza. Niaiky ny helony izy. Natolotra ny fampanoavana ny talata faha 26 mey 2020 ny raharaha, ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoangy izy.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT