Fandriampahalemana

Ankilizato-Mahabo Tratra ambodiomby nanao kolikoly ny CB


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Saron’ny sampana miady amin’ny kolikoly (Service Anti-Corruption) ambodiomby nanao kolikoly ny alatsinainy 11 septambra 2017 teo ny CB (Chef de Brigade) ao Ankilizato distrikan’i Mahabo faritra Menabe.

Tratran’ny ekipan’ny lietnà kolonely Ralaikoto Hajatiana tamin’izany ny vola efatra hetsy (400.000) ariary efa nataon’ny mpitory dika mitovy (photocopie) dieny mialoha ny ambin’ny vola dimy hetsy sy roa tapitrisa (2.500.000) ariary vola naloa namotsorana olona iray efa notazonina iray volana mahery tao amin’ny borigady. Haingana fomba fiasa tokoa ity SAC ity satria vao nahazo antso izy ireo ny alahady 10 septambra alina dia tonga tany an-toerana avy hatrany ka io noraisim-potsiny io ingahy CB ny ampitso. Mendri-piderana ary tokony ho modely ho an’ny rehetra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izao vokatra azo izao, hoy ny vahoakan’Ankilizato. Hetahetan’ireto farany moa ny mba hanomezan’ny fanjakana valisoa ny kolonely Ralaikoto Hajatiana, araka ny loharanom-baovao avy amin’i Damy Vincent Willemin.

Nangonin-dRamano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT