ANKILIVALO MAHABO

Olona 3 nisy namono, 2 efa tsy nisy masony intsony


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo,

distrikan'i Mahabo, andro vitsy lasa izay.Olona miisa 3 avy any Karaobato handeha hivarotra hafotra na hodi-kazo hanaovana tady no nisy namono. Tafatsoaka anefa ny iray ka avotra soa aman-tsara. Ny 𝟮 𝗵𝗮𝗳𝗮 kosa 𝗺𝗮𝘁𝘆 𝘀𝗮𝗱𝘆 𝘁𝘀𝘆 t𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻𝘆 𝗶𝗻𝘁𝘀𝗼𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼𝗻𝘆. Na izany aza anefa dia miisa 3 ny maso lasan'ireo olon-dratsy. Simba mantsy ilay maso iray raha ny fanazavana ka mety tsy ho tian’izy ireo. Miantso ny hisian’ny fandriampahalemana any amin’ity distrika iray ity ireo mponina any an-toerana noho izany. Misy hatrany mantsy ny halatra voa-maso tahaka izao izay vokatry ny tsy fisian’ny asa eo amin’ireo zatovolahy sy ny fahantrana lalina mahazo ny mponina. Lasa manaotao foana ny sasany noho izany . Na ny hanin-ko hanina aza mantsy mila tsy ho hita.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Mahabo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT