Fandriampahalemana

Ankazotoho Anosimahavelona Mandry tsy lavo loha ny mponina


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao anatin’ny Fokontany Ankazotoho Anosimahavelona. Tao anatin ny herinandro maro izay dia nisehoana hala-botry sy fanafihana hatrany teny an-toerana.

Tamin'ny alakamisy hifoha zoma lasa teo ohatra dia mpivarotra saribao iray no lasibatra tamin’izany. Lasan’ ireo jiolahy mampiasa fitaovam-piadiana tamin izany ny vola mitentina 330. 000 Ar niampy finday sy lecteur dvd. Araka ny fanazavana voaray vao tsy ela akory izay dia nisy tokantrano iray ihany koa very akoho maromaro. Marihina moa fa fokontany iray ao anatin’ny Boriboritany faha4 ity fokontany ity ary lavitry ny paositry ny polisy eny Mahamasina. Raha sanatria ka misy araka izany tranga fanafihana tahaka izao dia tena manano sarotra tokoa ny fitadiavana mpitandro ny filaminana. Manampy trotraka izany ny fahamaizina eny an-tanana antony mampahazo vahana ny asa fanendahana ihany koa. Faritra iray moa no nahazo ireny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny teny an-toerana. Vao 1 volana anefa izay dia efa tsy hita eny an-toerana sahady ireny jiro manazava ny tanana ireny. Fokontany lavitra andrina hoy ny olona eny an-toerana koa miantso ny Ben’ny tanàna sy ny mpitondra fanjakana izy ireo mba hijery ireo marary ao amin’ ity fokontany iray ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT