ANKAZOTO ANOSIMAHAVELONA

Kitapo natsipy nahatrarana basy vita gasy sy bala


  • Zoma 07 Febroary 2025

Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka

mpitandron'ny filaminana teny Ankazotoho Anosimahavelona omaly Alakamisy 06 Febroary tokony ho tamin'ny 03 ora maraina. Raha vao nahatazan-davitra ny Polisy nanao fisafoana ireto lehilahy telo ireto dia nandositra avy hatrany ary nanipy ilay kitapo iray teny amin'izy ireo. Rehefa nojerena dia ireo fitaovam-piadiana ireo no tratra tao anatin'ilay kitapo. Tombanana saika ho entin’izy ireo hanao fanafihana teny amin’ny manodidina ireo fitaovana ireo. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka hanamarina izany na tsia.
Pati
Legende : Ilay kitapo nisy basy sy bala sarona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT