ANKAZOMBORONA MAROVOAY

Ramatoa mpivaro-drongony voasambotra


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Efa marobe ireo jiovavy eto amintsika amin’ny endriny maro samihafa amin’izao.

Ankoatra ireo mpanendaka dia Renim-pianakaviana iray mpivaro-drongony indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Tsianaloka fokontany sy kaominina ambanivohitr’ Ankazoborona distrikan'i Marovoay omaly Talata 23 Janoary. Tao amin’ny trano fonenany mihitsy no tratra ity vehivavy ity izay mbola sarona niaraka tamina rongony milanja 4 kilao. Raha araka ny fantatra dia izy no mamatsy ireo mpandray sy mpifoka izany any an-toerana ka anisan’izany ireo tanora zazalahy. Notanana natao andrimaso ity Ramatoa ity hatramin’ny omaly nanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana rahampitso Alakamisy raha tsy misy ny fiovana. Mitohy ny fanenjehana hataon'ny zandarimariam-pirenena ireo mpanapoizina mpiara-belona amin'ny famarotana sy fanapariahana rongony any Marovoay.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra mpivaro-drongony ao Ankazomborona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT