Fandriampahalemana

Ankazomanga Vao nivoaka ny fonja dia tatra nangalatra indray


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Lehilahy 21 taona , vao avy nivaoka ny fonja tamin’ny zoma 11 novambra teo no tratra nangalatra tetsy Ankazomanga afak’omaly sabotsy 12 novambra tokony ho tamin'ny 7ora 40 mn hariva.

Raha araka ny fantatra dia ao anatin'ny fikambanan-jiolahy ity lehilahy ity no sady efa rain-dahiny amin’ny fanaovana asa ratsy ihany koa. Malaza ho mpampihorohoro ny faritra manodinana an’ Ankazomanga sy Tsaramasay iny mantsy izy sy ireo namany. Jiolahy miisa 04 izy no niaraka tamin’ity fotoana io ka tranon’olona iray teny Ankazomanga no novakian’izy ireo. Lasan'izy ireo tamin’izany ireo karazana entana toy solosaina entin-tanana sy vola mitentina 200.000 Ar ary finday miisa roa. Teo am-panaovany ny asa ratsiny mihitsy moa izy ireo no tra-tehaky ny tompon-trano ka nifanenjehin'ny olona teny amin'ny manodidina. Ny 03 lahy tamin’ireo no tafatsoka raha tratra kosa ny iray .Tonga ny Polisim-pirenena nandritra izany ka lehilahy efa nitangoronan'ny olona no sady efa niharan'ny fitsaram-bahoaka no hitany teny an-toerana . Nosamborina avy ity jiolahy ity ary notanana avy hatrany teny amin'ny kaomisaria natao fanadihadiana manokana. Nandritra izany no nahafantarana fa ao anatin'ny fikambanan-jiolahy izy ary vao nivoaka ny fonja tamin’ny zoma 11 novambra teo. Mitohy ny fikarohana ireo namany telo hafa .

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT