Fandriampahalemana

Ankazomanga, Tsaramasay Tratra ireo 3 lahy mpamaky trano sady mpanendaka


  • Alarobia 08 Jona 2022

Tovolahy telo no tratran’ny polisy miasa ao amin’ny PPA4 manodidina an’Ankazomanga, Tsaramasay, Antohomadinika ny alatsinainy 06 jona teo rehefa namaky trano sy nanendaka.

Tokony ho tamin’ny folo ora alina rehefa nanao ny fisafoana mahazatra ireo polisy miasa manodidina an’Ankazomanga dia nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamina tovolahy iray ka rehefa natao ny fanaraha-maso dia tratra teo am-panendahana ity farany ary nosamborina avy hatrany. Tratra manodidina teo ihany koa tovolahy roa izay nahatrarana bisikileta vao avy nangalarina tamina trano iray akaiky teo, ary hita tamin’izy ireo ihany koa ny fahitalavitra sy lecteur vao avy norobaina. 34, 23, ary 21 taona ny taonan’izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana dia fantatra fa efa misy raharaha miandry azy ireo ao amin’ny biraon’ny polisy PPA4 ary efa nisy tamin’izy ireo ihany koa no efa mpamerin-keloka.
Nangonin’i Pati
\Legende : Ireo mpangalatra sy mpanendaka tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT