Ankazomanga

Nahitana fatim-behivavy


  • Talata 26 Desambra 2023

Fatim- behivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo efa tsy nisy akanjo

intsony ny amboniny omaly Alatsinainy 25 Desambra no hitan'ny fokonolona teny Ankazomanga, kaominina Antananarivo renivohitra. Tokony ho tamin'ny 06 ora maraina no nahitan'ny mponina izany. Fantatra nandritra ny fidinana nataon'ny tompon'andraikitra fa tsy nahitana ratra teny amin'ny vatan'ity vehivavy ity. Tsy nisy taratasy namantarana azy koa teny aminy. Raha araka ny fantatra anefa dia tsy mponin'Ankazomanga ihany koa izy. Efa naterina eny amin'ny tranom-paty Hjra Ampefiloha moa ny razana tamin'io omaly Alatsinainy 25 Desambra nankalazana ny fetin'ny Noely io ihany.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay vatana mangatsiaka hita teny Ankazomanga omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT