Fandriampahalemana

Ankazoabo Atsimo Tsy voavaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Tsy mandeha amin’izay izy ny fambolena any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, nefa tantsaha no maro an’isa any.

 

 

Mirongatra ny halatra hataon’ny tanora satria tsy misy ny asa ary izany no antony mampanjaka ny tsy fandriampahalemana. Nanao antso avo tamin’ny fanjakana mihitsy ny depiote Pepin Michou satria lasa mangalatra daholo ny tanora ary mitombo an’isa ny dahalo. Ankoatra ny ezaka fanomezana asan’ny tanora dia tokony hampitomboina ihany koa; hoy izy ny isan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa tena tsy ampy. Ireo dahalo miova fo mantsy efa miverina manao ny ataony avokoa noho ny tsy fisian’ny foto-pivelomana. Tokony homena masomboly na sehatra ahafahany miasa farafaharatsiny izy ireo. Ny taona 2018 dia nanjakan’ny asan-dahalo ary ity taona 2019 ity dia efa mamaivay sahady ny famakian-trano sy ny halabotry any.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT