Fandriampahalemana

ANKATSO II Lehilahy mpangalatra saika matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Tafiditra anatin’ny faritra mena ny faritra Ankatso efa amam-bolana maro izao. Ankoatra ny vaky trano dia nahazo vahana ihany koa ny hala-botry ka tofoka tanteraka ireo mpianatra eny an-toerana.

 

 

Lehilahy iray mpangalatra no tratran'ny mpianatra teny Ankatso II namaky trano, omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina tany ho any. Nanamparan’iretsy voalohany ny ainy avy hatrany ity farany noho izany ka tonga tamin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy ny raharaha. Naratra mafy ilay mpangalatra noho izany ka saika afaka mihitsy ny ainy. Ireo mpiambina teo anivon'ny CROUA no niezaka ny niaro azy sy nisakana ireo vahoaka tsy hikasin-tanana intsony. Taorian’izay moa dia natolotra ny mpitandro ny filaminana ilay mpangalatra ka ireto farany no nandray an-tanana azy. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT