Fandriampahalemana

Ankatoky ny fety Tsimponin’ny polisy tsikelikely ny mpanendaka


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Lehilahy miisa telo, 19 sy 33 ary 38 taona indray no notsimponin’ny polisy teny amin’ny tetezan-dRamala ny sabotsy 03 desambra teo tokony tamin'ny 10 ora maraina rehefa nanendaka.

Amin'izao ankatoky ny fety izao raha tsiahivina dia mametraka hatrany ny paik'adiny ny polisim-pirenena amin'ny fanaraha-maso ireo toerana be mpifamezivezy. Ireo polisy manao fanamihana sivily no manatanteraka izany hahafahana mitsimpona ireo mpanao ratsy. Nandritra izany no nahatrarana azy telo mirahalahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny. Andriambavilanitra no narahan'izy ireo avy aoriana ary nataony afovoany. Rehefa ilay tery iny ny lalana no nanararaotra naka ny zavatra teny aminy ny iray tamin'izy telolahy. Tsikaritr' ireo mpitandro ny filaminana izany fihetsika nataony izany ka noraisim-potsiny izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ieo mpanendaka telolahy voasambotry ny polisy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT