Fandriampahalemana

Ankasina Tratra i Ibrahim mpanendaka amin’ny antsy lava


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Lehilahy iray antsoina hoe : Ibrahim, 28 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito etsy 67ha noho ny resaka fanendahana.

 

 

 Ny zoma 04 septambra teo, tamin’ny 08 ora alina dia nahazo antso ny polisy avy ao amin’ity kaomisaria ity fa misy mpanendaka mitondra zava-maranitra eny amin’iny faritra Ankasina iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ka lehilahy iray no voasambotra tamin’izany ary mbola tratra teny aminy ny antsy lavalela fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy moa ity olon-dratsy ity. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa lehilahy iray handeha hamonjy fodiana no nosakanan’izy ireo ka miisa telo izy ireo no nanao izany ary ny iray mitondra antsy lava lela. Nambanany tamin’izany ilay lasibatra ka nalain’izy ireo ny poketra misy vola mitentina 900.000 Ar niampy sy antotan-taratasy maromaro. Rehefa tonga ny polisy dia nirifatra nitsoaka avokoa izy ireo ka ity lehilahy iray antsoina hoe : Ibrahim ity no tra-tehaka. Marihana fa efa nigadra ity jiolahy ity izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray. Mitohy ny fikarohana ireo namany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora moa i Ibrahim.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT