Fandriampahalemana

Ankaramena - Fianarantsoa Tratra ireo jiolahy nanendaka ny mpiasan’ny ONG Sahy


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Jiolahy miisa 3 no saron’ny Polisy tao Androy ny fiandohan’ny volana volana desambra teo tao Ankaramena - Fianarantsoa rehefa avy nanendaka sy nanao herisetra tamin’ireo olona mpiasan’ny Ong Sahy

. Raha tsiahivina kely ny tantara dia lehilahy miisa efatra nitondra moto mpiasan'ny ONG Sahy no nendahin’izy ireo ka lasany tamin'izany ny vola sy ny tablety. Vokany, naratra mafy izy efa-dahy. Na izany aza niantso vonjy avy hatrany tamin’ireo polisy nanao sakana tsy lavitry ny fokontany Ankaramena ireo niharam-boina ka nahafahana nisambotra ny roa tamin’ireo jiolahy. Rehefa natao ny fisavana ireto farany dia nahitana antsy lavalela teny am-balahiny. Nitohy hatrany ny fikarohana ilay namany ka ny marainan'ny 02 desambra teo dia tratra tao Ankaramena ity farany. Marihina fa tratra tany amin’ity farany ny tablet y sy ny vola rehetra.
Pati
Legende : Ireto izy 3 lahy jiolahy nanendaka ireo mpiasan’ny Ong Sahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT