Fandriampahalemana

Ankamory Arivonimamo Lasan'ny Jiolahy avokoa ny razana tao am-pasana


  • Talata 04 Jolay 2023

Nitrangana vaky fasana indray tao Ankamory antsinanan’ Antanety, fokontany Ambohipiainana, kaominina Ambohimasina,

distrikan'Arivonimamo ny alin'ny Sabotsy 01 Jona 2023 lasa teo. Fasana iray nisy razana am-polony no vaky ka lasan’ireo tsy mataho-tody nandritra izany avokoa ireo taolam-balo tao anatiny. Lehilahy iray handeha ho any an-tsaha namatotra omby no fantatra fa nahatsikaritra ilay fasana efa midanadana. Niezaka nampandre ny mpiray tanàna ity farany ary nanao ny fidinana ifotony avy hatrany ireo tompon'andraikitra. Efa eo am-pelatanan'ny zandary ao Ambatomanga moa ny raharaha ankehitriny ary mandeha ny fitadiavana ireo olon-dratsy. Efa nikarakara ilay fasana kosa ireo fianakavian’ny maty mba tsy ho sanatria lasa fieren’ny jiolahy indray izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nidanadana tahaka izao ilay fasana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT