Fandriampahalemana

Ankalalobe , Belo sur Tsiribihiana Lehilahy roa lasa takalon’aina, dahalo iray voatapa-tanana


  • Talata 28 Martsa 2023

Nitrangana fahafihan-dahalo mahery vaika indray ny alahady maraina teo tokony ho tamin’ny 04 ora tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankalalobe distrikan'i Belo sur Tsiribihina.

Dahalo 20 lahy no fantatra fa nanafika ny campement mitondra ny anarana hoe Madiro. Nalain’izy ireo ny omby rehetra tao sy ny lehilahy miisa roa izay lasa takalon’aina. Raha vantany vao nandre io fanafihana io ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona dia niandry ny kizo tao Masiadolo ka raikitra fifandonana teo amin’ny roa tonta. Nisy ireo dahalo maty vokatr’izany izay nentin'ny namany nandositra. Ny iray kosa taraiky teo ka notapahin'ny fokonolona ny tanany havia ho famaizana azy. Tavela teo moa ireo omby nangalarin’izy ireo raha mbola hifampitadiavana kosa ireo roalahy lasa takalon’aina.
Pati
Legende : Ity ilay dahalo tavela notapahin’ny fokonolona ny tanany havia
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT