Fandriampahalemana

Ankady Tanjombato Tovovavy 23 taona tratra nivarotra rongony


  • Alarobia 07 Jona 2023

Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.

Araka ny angom-baovao azo dia monina ao Ankady Tanjombato izy io ary tena mivelona amin’io asa io tanteraka no sady mamotika ireo tanora eo amin’ny manodidina. Nandefa fitarainana tany amin’ny polisy araka izany ireto farany ka mbola tratra tao an-tokantranony ny rongony miisa 275 fonosana nandritra ny fisamborana azy. Raha arala ny fanazavany dia misy manatitra ao aminy izy ireo. Mahalafo 15 ka hatramin’ny 20 isa isan’andro izy amin’izany. Vidiany 50.000 Ar kosa ny iray harona sachet plastika iray ka tsinjaraina 100 isa ary hamidiny avy eo. Araka ny fantatra dia izy no mamatsy iny faritra Tanjombato iny. Natolotra ny fampanoavana omaly ity tovovavy ity ka naiditra am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa maro amin’ireo tovovavy tsy mahita rirany amin’ny fivarotan-tena no lasa mivarotra rongony sy roro amin’izao.
Pati
Legende : Ity ilay tovovavy sy ireo rongony tratra tany aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT