Fandriampahalemana

Ankaditoho Marohoho Telolahy tratra nidoroka rongony mahery vaika


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Lehilahy miisa telo no indray tra-tehaky ny polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian’ ny boriborintany fahadimy

etsy Mahamasina afak’omaly talata 02 mey rehefa nidoroka zava-mahadomelina teny "Ankaditoho Marohoho". Manoloana ny ady hatao amin'ny fiparitahan'ny zava-madomelina eto Antananarivo Renivohitra dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona tratran'ny polisy tao anatin'ny herinandro maromaro izao. Anisan’izany izy telo mirahalahy ireto. Miisa 10 izy ireo raha kely ka lehilahy ny ankamaroany. Tsy mifidy taona kosa ireo olona manjifa izany satria manomboka amin’ny 17 taona, misy ireo 30 taona raha 51 taona no zokiny indrindra raha araka ny tatitry ny polisy hatrany. Mikasika azy telo mirahalahy ireto manokana dia ilay karazana rongony mahery vaika chanvre indien no fantatra fa hampiasain’izy ireo ary mbola tratra teny aminy. Toro-hevitra hatsipy amin’ny mpitandro ny filaminana hatrany moa ny tokony hisavan’izy ireny ny tanan’ireo tanora tovolahy mampiahiahy ka izay tsy ampy taona tratra alefa eny Antanimora raha eny Tsiafahy kosa ireo ampy taona. Terena ihany koa izy mba hanoro ireo mpamatsy azy izany hahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ny tambajotra mpanaparitaka azy ity eto amintsika fa mamotika taranaka.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo mpamotika ny taranaka Malagasy amin’ny fifohan-drongony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT