ANKADITANY AMPITATAFIKA

Nidoboka am-ponja izy mianadahy namono mpanakalo « devise »


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Voasambotra avokoa ireo mpamono olona teny Ankaditany Ampitatafika,

distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny datin’ny 04 janoary teo tokony ho tamin'ny 06 ora maraina dia nisy nampandre ny Zandarimariam-pirenena ao_Faliarivo fa misy fatin'olona eo Ambohitrandriana, fokontany Ankaditany, kaominina Ampitatafika. Razana vaky loha, misy diana kodiarana ny tapany ambony ary trobaka tenda no hita tamin'io fotoana io. Ary araka ny nambaran'ny dokotera nanao ny fizahana ifotony dia efa maty tany amin’ny an-toeran-kafa ilay olona no naterina teo amin’ity tanana ity. Nanokatra fanadihadiana ny zandary notarihan'iny lehibeny ao Faliarivo, teo ambany fanaraha-mason'ny kaomandan’ny borigady ao Fenoarivo. Ny 04 janoary teo tokony tamin'ny 11 ora atoandro dia tonga tao amin'ny biraon'ny Zandarimaria Faliarivo ny rahalahin'ny maty nilaza ny mombamomba io rahalahiny nisy namono io. Nandeha taxi-moto avy any Analakely ho any Ankaditany ilay maty ny 3 janoary ary tsy tratra antso intsony taorian'ny tamin’ny 12 ora atoandro. Nisy olona monina tsy lavitra ny toerana nahitàna ny razana no fantatra fa mifampiantso an-telefaonina matetika tamin’ilay maty. Nandeha ihany ny fanadihadiana ka voasambotra ny 12 martsa teny Anosy ilay mpamono olona izay nanazava tahaka izao.Fantany fa mpanakalo vola vahiny (devise) eny Analakely ilay maty ka nafarany ny 03 janoary teo tamin’ny 09 ora maraina mba ho any an-tranony fa hanakalo vola hono. Teo am-panisana vola tao an-tranony no nofirainy tamin'ny famaky ny hatokin'ilay maty ary notsindroniny tamin'ny antsy ny tendany. Nolazainy ilay taxi-moto fa afaka mandeha satria mbola miresaka amin'ny debany ilay maty ka nomeny saran-dalan’ ilay mpamily. Ny andron'io ihany tamin'ny 10 ora alina no nariany teo ambody kirihitra 30 metatra miala ny trano ambenany ny razana. Nifampizaran’ilay mpamono olona sy ny olona nanafina azy araka izany ny vola, ka 3.000.000 Ar no anjaran’ilay mpamono olona raha 1.000.000Ar kosa an’ilay nanafina azy. Nodorany ny karapanondro sy ny findain’ilay maty ary ny sac banane an’ity farany taorian’izany. Natolotra ny Fitsarana ny raharaha ka voatazona eny Tsiafahy ilay mpamono olona raha eny Antanimora kosa ilay nanafina azy izay marihina fa vehivavy.
Pati
Legende : Ireto izy mianadahy ati-doha tamin’ilay famonoana olona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT