Fandriampahalemana

Ankadinondry Sakay-Vono sy fanolanana 3 lahy sy 1 vavy niboboka am-ponja


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Ny zoma 25 desambra 2020 tokony tamin'ny 07 ora hariva, dia nisy tovovavy iray antsoina hoe Fanja, 17 taona,

 

sendra nirahin'ny Ray aman-dReniny, kinanjo teny andalana hody dia nisy vehivavy iray atao hoe Rovatiana sy tovolahy miisa 3 nanakan-dalana azy. Tampoka teo ilay vehivavy tonga dia nidaroka azy ka tsy nahatsiaro tena izy ary avy eo kosa ireo tovolahy 3 dia nanolana tambabe azy. Marihina fa tsy nahatsiaro tena mihitsy io tovovavy voaolana io nandritra ny andro maro ka nananosarotra ny fanadihadiana. Rehefa nandré izany ny Zandarimaria dia nanokatra famotorana ahafantarana ireo nahavanondoza. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa tovovavy mpivarotena ilay atao hoe Rovatiana, izay tompon’antoka amin'ity raharaha ity, hoy ny zandarimariam-pirenena omaly. Ireo tovolahy kosa dia i Sanga sy i Hery ary i Rado. Io Sanga io no naniraka an'i Rovatiana mba hampila an'i Fanja mba ho azy. Tsy nanaiky anefa i Fanja ka izay nohatonga ny daroka nasetrin'i Rovatiana azy, ary fanolanana kosa no nataon'i Sanga sy ny tariny. Natao ny fifanatrehana nandritra ny famotorana ka voamarina ireo voina nanjo an'i Fanja izay tao anaty tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny habibiana nataon'izy 4 mianadahy. Natolotra ny fampanoavana omaly 06 janoary 2021 ny raharaha ary naiditra amponja vonjimaika ireo nahavanon-doza. Ankasitrahana ny fahaizamanaon'ireo mpanao famotorana nahatrarana ireo jiolahy 3 nanolana, hoy ny zandary.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT