ANKADINITAVIMENA AMPAHIBATO

Tovolahy hita faty, nivoa-dra ny fitombenany


  • Talata 16 Jolay 2024

Tovolahy iray tombanana ho 25 taona eo ho eo no hita faty tao amin’ny tananan’Ankadinitavimena,

Fokontany Ampahibato kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano omaly Alatsinainy 15 Jolay. Olona sendra nandalo no nahita ny razana ka nampandre ny manam-pahefana. Fantatra taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo fa nivoaka ra ny fitombenan’ity tovolahy ity izay karazan’ireny olona avy naolana ireny. Ahiana ho nisy nanolana izy noho izany. Tsy nahitana ratra ihany koa ny vatany ankoatra ny tanany. Efa naterina any amin'ny Tranom-paty HJRA Ampefiloha moa ny razana tamin’ny andron’ny omaly ihany. Tsiahivina fa tokony ho fadiana fatratra ny fodiana alina sy ny fandehanana irery amin’ny mangingina amin’izao na lahy na vavy hisorohana ny fanolanana mety hitranga sy ny vono olona.
Pati
Legende : Ity ilay razana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT