Fandriampahalemana

Ankadindratombo Zaza tsy ampy taona, tratra namaky trano


  • Talata 25 Aprily 2023

Zaza tsy ampy taona iray vao 15 taona monja no saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP Alasora teny Ankadindratombo namaky trano ny 22 aprily teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso ny tompon’andraikitra ny filaminana miandraikitra iny faritra iny fa misy mamaky ny trano iray eo akaikin’ny toeram-pivarotam-panafody etsy amin’ny Bypass.Tsy niandry ela fa namonjy ilay toerana voalaza avy hatrany ny Polisy ka tratra ambodiomby tao ity zazalahikely ity. Tsy nahetsika tao anatin’ilay trano voatondro ny anaolahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny famaky izay nampiasainy. Raha araka ny fantatra dia eny amin’ny faritra Ambatonjara Bypass izy no mipetraka saingy tonga eny Ankadindratombo mamaky trano. Niakatra fitsarana omaly ihany koa ny anaolahy ary nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora mandray ireo zazalahy kely nania tsy ampy taona.

Pati
Legende : Mbola tsy ampy taona ity zazalahy kely ity saingy efa havanana amin’ny famakian-trano sahady

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT