Fandriampahalemana

Ankadindramamy Olona teo akaiky ihany no nanafika ilay toeram-pivarotana


  • Zoma 16 Septambra 2022

Toeram-pivarota-mofo iray na irony antsoina hoe : boulangerie irony no nisy nanafika omaly folakandro teny Ankadindramamy. Jiolahy miisa 4 raha araka ny vaovao azy no nanafika azy io.

Nandritra ny fanaovany ny asa ratsiny anefa izy ireo no nisy nahita tampoka ka tafaporitsaka ny telo. Tratra kosa ilay iray ambiny izay fantatra fa mipetraka eo am-pitan’ilay toeram-pivarota-mofo ihany. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana moa dia manomboka mahazo vahana ao Ankadindramamy ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’izao ka tokony hojerena akaiky. Tsy nisy moa ny entana lasa nandritra ity fanafihana ity. Tsy nisy ihany koa ny naratra na ny aina nafoy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT