Fandriampahalemana

Ankadimbahoaka Tratra ilay mpanendaka olona mamonjy fodiana


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Anisan’ny faritra tena malaza ratsy amin’ny asa fandehana ireo olona mandeha dia an-tongotra hamonjy fodiana iny faritra Ankadimbahoaka iny.

Miaraka amin’ny antsy maranitra mihitsy ireo mpanendaka mandritra izany ary mikendry vehivavy somary kelikely aina tara fodiana. Manoloana izany dia nametraka ny paikadiny ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina nandefa mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily teny an-toerana. Lehilahy iray vao 23 taona no tratra ambodiomby nanendaka olona teny amin’iny faritra iny vokatr’izany ny sabotsy 14 janoary teo. Avy hatrany dia noentina teny amin’ny kaomisarian’i Mahamasina ity farany nanaovana fanadihadiana. Raha araka ny fanazavany dia vokatry ny tsy fananany asa no nanosika ity lehilahy ity hanendaka tahaka izao. Maro adidy anefa izy hoy hatrany ny fitarainany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT