Fandriampahalemana

Ankadikely Ilafy Voasambotra ireo mpanendaka olona mpirevy amin’ny alina


  • Talata 23 Mey 2023

Tena efa samy manana ny paikady hampiasainy mihitsy ireo mpanendaka ankehitriny mba hahazoany izay tadiaviny. Misy ireo manakan-dalana, misy ireo manao ny hataony any anaty taxibe….

Ho an’ireto telolahy tratra teny Ankadikely Ilafy tamin’ny afak’omaly Alahady ireto dia manarak’olona avy mirevy amin’ny alina no tena hataony. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ankadikely Ilafy no nahatratra azy ireo. Tadidin’ireo olona mamo avy hendahiny ny endrik’izy ireo ka tsy sarotra ny nisambotra azy. Tsy mbola mamo tsara rahateo ilay lehilahy iray izay nendahin'izy ireo tamin’ny alin’io Alahady alina io ka nahatadidy tsara ny tarehy sy ny volon'izy ireo ary nitoroka tany amin'ny zandary. Feno ny porofo noho izany. Very mantsy ny vola sy ny findainy. Voasambotra ary natao famotorana ka samy niaiky avy hatrany izy telolahy ireto fa nanendaka tokoa tamin’io alin’ny Alahady lasa teo io. Hiakatra fitsarana anio izy telolahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpanendaka olona avy misotro any amin’ny bar
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT