Fandriampahalemana

Ankadikely Ilafy Nahitana lohan’olona nentin’ny alika nandehandeha


  • Talata 26 Jolay 2022

Zava-doza no nitranga tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Antananarivo Avaradrano omaly.

Lohan-dehilahy iray efa tapaka no tazan’ny fokonolona nentin’ny alika nandehandeha eran’ny tanàna ary fantatra fa mbola nisy rà. Raha araka ny vaovao azo dia tombanana ho mety efa nisy namono tany ho any ity lehilahy ity ary nariana tany Ankadikely ny fatiny na koa tany amin’iny toerana iny mihitsy no namonoana azy saingy tsy nisy nahita. Avy hatrany dia niantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny toy ny sefom-pokontany sy ny zandary moa ireo mponina nahita ny zava-nitranga ka efa noraisin’ireto farany an-tanàna ny raharaha. Ilay lohany sy ny volony notaritin’ny alika moa no nahafantarana fa lehilahy ilay namoy ny ainy. Mbola tsy fantatra kosa izay toerana misy ny vatany hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Ny hany fantatra dia tao anaty alala somary mangingina no nahitana ilay lohany notaritin’ny alika.
Nangonin’i Pati
Legende : Teto amin’ity kirihitr’ala ity no nahitana ilay lohan’olona notaritin’ny alika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT