Fandriampahalemana

Ankadibevava Tratra ambodiomby ilay mpangalatra vy


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny CSP2 Ambohijatovo teny amin’ny faritry ny boriborintany faharoa ny lehilahy iray 22 taona omaly 19 jolay 2022 rehefa tratra ambodiomby nangalatra vy.

Mpitandro ny filaminana nanatanteraka ny asa fisafoana fanao andavanandro teny amin’iny faritra iny no nahazo angom-baovao izay nilaza fa misy olona mpangalatra eny Ankadibevava ary mbola eo am-panatsofana izany indrindra izy tamin’io ora io. Nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo, nijery ilay toerana ka tratra ambodiomby teo ilay olona voalaza. Mbola hita teny aminy avokoa moa ireo “fer” maromaro izay vao avy nangalariny. Araka ny fantatra dia miasa sy monina ao amin’ny mpanao “soudure" iray eny amin’ny faritra Ankadibevava ity lehilahy voasambotra ity ary maro no efa voa toy izao fa izao vao nisy tratra. Noentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny Polisy nanokafana fanadihadiana ny anaolahy.
Pati
Legende : Ilay lehilahy sy ireo vy nangalariny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT