Fandriampahalemana

Anjianjia Miandrivazo Hanamparan’ilay ramatoa ny habibiany ireo zaza angalariny


  • Zoma 06 Janoary 2023

Ramatoa iray monina ao Anjiajia Miandrivazo no fantatra fa nangala-jaza.

Zazavavy kely vao 10 taona monja io nalainy io raha araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy sy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana izay tondroiny ho zanany naterany. Ny tena nahavariana ny mpiara-monina tamin’ity Ramatoa ity anefa dia matim-bono hatrany io zaza io. Hanamparan’ilay Ramatoa ny habibiany ihany koa, koa raha vantany vao mitady vonjy aman’olona dia sakanany mafy tsy hanao izany. Tamin’ny fotoana nakana am-bavany ilay zaza dia nilaza ity farany fa tsy reniny niteraka azy io vehivavy io fa mpiara-miasa amin’ny ray aman-dreniny fotsiny. Ilay ramatoa nitazona azy anefa teo an-daniny dia nilaza sy nanamafy hatrany fa zanany io zazavavy io izay nifanohitra amin’ny nambaran’ilay zaza. Rehefa nozahan’ny manampahefana tokoa moa ny Ray aman-dRenin’ity zazavavy kely dia hita ka tamin’izany no nahafantarana fa nangalarin’ity Ramatoa tsy mataho-tody ity io zaza tsy manan-tsiny. Ny 02 janoary teo moa no nosamborina ny anaovavy. Mitohy kosa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ny raharaha.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT