Fandriampahalemana

Anjanahary Nalefa eny am-ponja ireo roalahy tratra nitondra antsy


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Ny alin’ny 26 jona teo tokony ho tamin’ny 7ora, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy teny Anjanahary dia nahita lehilahy roa nijorojoro izy ireo. Tsikaritr’iretsy voalohany fa misy antsy any amin’ny iray amin’izy ireo.

 

 

 

Nitsoaka avy hatrany izy roalahy rehefa nahita ny polisy ka raikitra ny fanenjehana azy ireo. Voasambotra ny iray ka io no nanondro ny toeram-ponenan’ilay namany saingy tsy hita ity farany. Nitohy ny fitadiavana azy ka 30 minitra taty aoriana vao tratra teny Anjanahary ihany ny lehilahy. Nisy moa ny fitarainana avy amin’ny mponina sy ny fokontany mahakasika ny asa fanendahana sy halatra maro karazany eny an-toerana ka nahatonga ny Polisy hanamafy hatrany ny fisafoana amin’iny faritra iny. Natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT