Fandriampahalemana

Anjanahary Lehilahy iray tratra nangalatra vilany roa


  • Talata 06 Jolay 2021

Lehilahy iray manodidina ny 25 taona ny tratra teny amin’iny faritra Anjanahary Cimetière iny ny 01 jolay lasa teo rehefa nitondra vilany miisa 2 (rice cooker sy cocotte minute) tsy fanta-piaviana.

 Tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro no nahatrarana io lehilahy io. Hafa fihetsika avy hatrany ity farany raha vantany vao nahita ireo polisy ka niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy ireto farany . Nandritra ny fisavana azy dia mbola nahitana fantsika sy karazana visy tany aminy ankoatra ireo vilany roa hita. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa entana vao avy nangalariny tamina tokatrano iray teny Ambatomainty ireo noentiny ireo. Taorian’ny nanolorana azy teo anatrehan’ny Fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy.
Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT