Fandriampahalemana

ANJAKAN’NY GADRA LAVA NY TANANA Jiolahy roa mpamerin-keloka sarona tena Analamahitsy


  • Zoma 03 Mey 2019

Saika ireo mpamerin-keloka avokoa no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tato ho ato. Roalahy samy efa nigadra teny Antanimora indray no azon’ny polisin’ny

 

 

 

kaomisarian’Analamahitsy teny Ivandry, omaly maraina sahabo tamin’ny 6 ora. Namaky trano teny izy ireo tamin’ny 1 ora sy sasany maraina saingy adiny dimy taty aoriana vao tratra. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana dia tonga teny an-toerana saingy noho ireto gadra lava mbola ao anatin’ny heriny dia naharitra adim-pamataranandro maro ny fifanjevoana. Raha iverenana ny zava-nitranga, naheno zavatra nikorontana ny tompon-trano. Nitsikilo teo am-baravarankely izy ka nahatsikaritra lehilahy iray teo an-tokotaniny nisokitra varavarankely. Vao nahatazana ilay olona nivoaka avy tao an-trano anefa ity farany dia nirifatra nitsoaka niaraka tamin’ilay namany ka nilaozany ny sakaosiny misy ireo fitaovana entiny manatanteraka ny asa ratsiny. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny lasibatra ary vetivety ny polisin’Analamahitsy dia tonga ka nanatanteraka ny fanarahan-dia. Tratra izy ireo tamin’ny 6 ora maraina. Niaiky ny fikasan-dratsiny izy ireo nandritra ny famotorana ary fantatra fa mpanendaka efa nigadra teny Antanimora.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT