Fandriampahalemana

Angidim-by nampanantenaina ny tafika Nijanona ho fampanantenana poakaty hatreto


  • Talata 24 Janoary 2023

Tamin’ny 22 desambra 2022 no nanamafisan’ny Filoham-pirenena fa ho avy ny angidim-by vaovao ho an’ny tafika. “Ho tonga ny tapaky

ny volana janoary ho avy izao ny angidim-by vaovao « airbus H 130 », izay afaka hanaovana «transport de troupes», «action tactique» ary «évacuation sanitaire », hahafahana mamonjy ireo miaramila mety ho tra-doza, na ireo olom-panjakana mamita hiraka any amin’ny toerana saro-dalana”, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina”. Nambara fa fitaovam-piadiana vaovao avy atsy Afrika Atsimo io, ary horaisina any amin’ny seranantsambon’I Toamasina. Efa dila ny tapa-bolana, efa iray volana mahery aty aoriana aza isika izao. Sao sanatria ho fita-bitro sy fampanantenana poakaty tahaka ny efa nisy? Tany amin’ny tetezamita notarihin-dRajoelina dia efa nisy ny fampisehoana makety sy nilazana fa efa any anaty sambo ny tramway saingy am-polo taonany aty aoriana tsy nipoitra ihany. Vao tamin’ny jolay 2022 no nilaza fa ho tonga mialohan’ny faran’ny taona 2022 ny bus be manara-penitra 1000 hampiasana eto Antananarivo, kinanjo ny Mpitondra tenin’ny Filoha Lova Ranoromaro indray nilaza ny faramparan’ny taona fa tsy ny tenany na ny Filoha Rajoelina no nampananterana izany. Asa indray na ho balarora na tena izy indray ity angidim-by vaovaon’ny tafika ity. Ilay fiaramanidina Casa izay voalaza fa namboarina moa dia nanaovana “mody mitapy” araka ny fitenin’ny tanora. Pi-maso ho an’ny tafika nandritra ny nametrahana ambany faneva ireo jeneraly miisa 25 vao niakatra galona moa no nanamafisana ity filazana fa ho avy ny angidim-by ity. Nandritra io no nilazan-dRajoelina fa ny Fitondrany dia tena nijery sy nitsinjo hatrany ny tafika toy ny ara-pitaovana, ara-potodrafitrasa,… ary nilazany fa tokony hijoro eo anatrehan’ny ambana ny tafika. Nahazoany toky tamin’ny kabarin’ny Minisitry ny fiarovana fa ao an-damosin’ity farany ny tafika ary miaro ny andrim-panjakana sy ny lalàmpanorenana, ary ny safidim-bahoaka. Niteraka tsikera samihafa io, ary nisy ny fampahatsiahivana hoe: ary ahoana ny tamin’ny 2009 izay filoha voafidim-bahoaka no naongan-dRajoelina ary ampahany tao amin’ny tafika no nampiasainy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT