Fandriampahalemana

Androtra Tsiroanomandidy Rangahy lehibe 70 taona maty notapahin-doha


  • Talata 23 Mey 2023

Tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany toy ny nitranga tao amin’ny Fokontany Androtra, distrikan’i Tsiroanomandidy

Faritra Bongolava, omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy andian-jiolahy nanafika ny tokantrano iray tao amin’io Fokontany Androtra io. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo izay manodidina ny dimy raha kely. Ny nampalahelo anefa dia Ramatoa lehibe sy ny vadiny efa lehibe ihany koa no lasibatra tamin’izany. Rehefa notakian’ireo jiolahy ny vola sy ny fananana toy ny firavaka volamena tao amin’ity tokantrano ity hoy ny vaovao dia notapahiny avy hatrany ny lohan’ilay Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona ka maty tsy tsa-drano ity farany. Tsy sahin’ireo jiolahy nokasihina kosa ilay ramatoa vadiny ka avotra soa aman-tsara. Na izany aza lasa feno tahotra sy horohoro ity farany vokatry ny fahitany ny zava-nitranga sy ny habibian’ireo jiolahy namono am-badiny. Tsiahivina moa fa saika isan-kerinandro dia ahitana vaky trano tahaka izao foana ao Tsiroanomandidy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy milamina ny i Tsiroanomandidy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT