Fandriampahalemana

Androndrakely Nahitana fatin’olona indray omaly


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Mbola tsy mitsahatra hatreto ny fahitana fatin’olona amin’iny lalana miazo an’Androndrakely iny.

Olona 2 isan-taona raha kely no hita faty eny an-toerana ka ankoatra ireo misy mamono dia manipy ao anatin’ilay tata-drano miainga avy eny Ankadimbahoaka iny dia misy ireo maradratra mihosin-dra toy ny sanatria avy nohanin’ny biby…Vao omaly indray izao dia lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty teny an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tao anatin’ ny tambohon’ny Alhambra izy io no hita , tranga izay somary hafahafa ihany. Nilaza ho tsy nisy nahalala na nahafantatra ity lehilahy hita faty ity avokoa moa ireo izay nijery sy nahita azy taorian’ny niparitahan’ny vaovao. Marihina fa efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Maro tamin’ireo olona maty teny amin’iny faritra Androndrakely iny moa hatreto raha araka ny fanazavan’ny mponina no mbola tsy hita fototra izay te-namono azy koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika.
Nangonin’i Pati Legende : Tahaka izao ny ilay Raim-pianakaviana hita faty !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT