Fandriampahalemana

Androndra sy Anosizato Telolahy tratra nivarotra rongony mahery vaika


  • Zoma 09 Desambra 2022

Lehilahy telo manodidina ny 22 taona ka hatramin'ny 35 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin'ny

zava-mahadomelina ny 07 desambra teo teny Androndra sy Anosizato rehefa nivarotra rongony mahery vaika toy ny héroïne. Isan'ny hironan'ny tanora maro ankehitriny ny fidorohana zava-mahadomelina noho izy ireny miparitaka loatra. Manoloana izany dia misy ny ezaka hataon'ny polisim-pirenena hamongorana izany . Fonosan-drongony 43 isa sy rongony 1,2 kg ny iray raha nahitana 47 fonosana kosa ny iray no tratra tany amin’izy telo mirahalahy ireto. Niaiky izy ireo fa tena mivarotra zava-mahadomelina tokoa,ary hamidiny 1.000 ar ny fonosana iray. Ny folak'andron'ny 07 desambra io ihany dia tovolahy iray 25 taona no tratra nitondra héroïne teny Anosizato. Nandritra ny fanadihadiana dia nilaza ity tovolahy ity fa iraka fotsiny ihany fa tsy tena tompony. Natolotra ny fampanoavana omaly ihany koa izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mirahalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT