ANDROAKARAOKA MANANARA AVARATRA

Raim-pianakaviana maty novoin’ny zana-badiny ?


  • Zoma 10 Janoary 2025

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona no fantatra fa maty novonoin’ny zana-badiny tany

Andalambemahitsy, Kaominina Andraokaraoka, distrikan’i Mananara Avaratra tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha ny vaovao azo dia nalany aloha ny ain’io Raim-pianakaviana io. Notapatapahiny avy eo ny tongotra aman-tanany ary nataony tao anaty kitapo avy eo. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva moa dia mbola tsy fantatra marina izay antony namonoan’ny zana-badiny ity Raim-pianakaviana iray ity. Na izany aza efa tratran’ny fokonolona omaly hariva kosa izy ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Efa manaraka fitsaboana ao amin’ny sampana vonjy aina ny lehilahy hatramin’ny omaly hariva izay voalaza fa efa kely ihany koa ny ainy. Tombanan’ny manodidina ho avy nifoka na nihinana zavatra tsy zakany moa ilay olona nahavanon-doza, antony tena nahavitany izao vono olona feno habibiana izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nisamborana ilay nahavanon-doza!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT