Andrefambohitra Ampitatafika

Miverina ny “opération Batterie”


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Miverina ny fangalarana “batterie” amin’ny fiarakodia any anaty tanàna eny Andrefambohitra Ampitatafika.

Tonkantrano iray no lasibatra ny alin’ny sabotsy teo satria nisy niditra an-tsokosoko tao an-tokontany, ka nalain’ireo tsy mataho-tody io fitaovana io tamin’ny fiara marika Peugeot 206. Efa niseho ny tahaka izany tamin’ny tapaky ny volana jolay, ary niverina indray, hoy ny fanazavan’ny lasibatra. Niditra tao amin’ny faritry ny tanàna izay mifefy ireo olon-dratsy, nobahanany tamin'ny fatapera izay mipetraka eo an-tokontany ny varavarana. Nalefany ihany koa ny “robinet” teo an-tokontany dia ranobe fotsiny eraky ny tokontany, ankoatry ny halatra nataony. Ny nahagaga dia tsy hoe nopitsohany ny varavaran'ny fiara na koa ny “capot”, hoy hatrany ny lasibatra. Midika izany fa manana fanalahidy manokana ry nentina nanamorana ny halatra ireo olon-dratsy. Efa tamin'ny jolay, nisy nitaraina hoe very ny “batterie” tety amin'ny manodidina, dia io ihany koa fa niverina voa ny anay, ny tanananay anefa mifefy tamboho be, hoy ny fitantarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT