Fandriampahalemana

Andravoahangy sy ny manodidina Mirongatra ny haro-paosy


  • Zoma 03 Jolay 2020

Mila mailo ny rehetra, hoy ny lasibatra iray, manoloana ny firongatry ny haro-paosy eny amin’iny Andravoahangy sy ny manodidina iny.

 

 

 

 

 Efa narahan’ilay tontakely avy ao aoriana efa ela izy, raha ny fanazavany, satria somary mavesatra entana kanefa nitondra izany tamin’ny tanany ilany fotsiny. Nony nahatsiaro reraka dia namindra ny entana iray tamin’ny tanany ilany ka teo no nanararaotan’ilay olon-dratsy nisokirana ny poketra. Nony hividy zavatra aho, hoy izy, avy eo efa tsy tao intsony ilay poketra. Tranga iray hafa ihany koa no notantaraina raim-pianakaviana iray manodidina iny faritra iny hatrany. Tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray aho, hoy izy, ary nisy nipetraka teo akaikiko. Nony niala ilay teo akaikiko dia nisy lehilahy namonjy avy eo ilay toerany. Efa hitako ho hafahafa fihetsika, hoy izy, ka mailo aho. Nikasika ny feko tampoka ka taitra aho ary nivandrahako. Toy ny tsy teo ny nanafenany ny endriny na efa anaty arotava aza ary tsy andriny ny nahatongavana teo amin’ny fiantsonana manaraka mba hivoahany malaky.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT