Fandriampahalemana

Andravoahangy sy Ankadivato Zazalahy vao 15 taona no atidohan’ny vaky trano


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Tokantrano roa samihafa no indray nisy namaky teny Andravoahangy sy Ankadivato omaly talata 06 aogositra maraina.

Fampitam-baovao avy amin'ny mpifanila vodirindrina tamin'ilay niharam-boina no nahafantaran’ny Polisy ny zava-nitranga ka nidina teny an-toerana nisambotra ireo olon-dratsy avy hatrany izy ireo. Mbola teo am-pisokirana ny varavarana no tazan'ny olona manodidina ny iray ka niantso ireo polisy niasa teo akaiky teo ihany izy ireo. Ny iray kosa nitsofoka tao anatin'ny tamboho mifefy ary efa saika haka ireo entana nipetraka teo an-tokontany no sarona. Ity farany izay marihina fa mbola tsy ampy taona akory satria vao 15 taona monja nefa efa manao izao asa ratsy izao sahady no sady mbola ati-doha. Samy tratra ambodiomby teo am-panaovany ny asa ratsiny avokoa moa izy roalahy ireto. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy ireto farany nanaovana fanadihadiana. Ilay mbola tsy ampy taona kosa natolotra ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana hanohizana ny fanadihadiana. 31 taona moa ilay lehilahy iray namany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT